Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 14. 1,7-14
Ilay lehilahy manirano - Ny amin'ny fanetren-tena - Ireo nasaina miala tsiny - Ny fahafoizana izay rehetra ananana.
1 Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisiana anankiray Jeso, dia nitsikilo azy izy ireo.
7 Rahefa izany nony hitan'i Jeso ny hamaimaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo izy: 8 Raha asaina amin'ny fampakaram-bady hianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho hianao, 9 ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: Omeo an'ity ny fitoeranao, ary amin'izay ho menatra hianao hifindra arý amin'ny fitoerana farany. 10 Fa raha asaina hianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao hianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.
12 Ary hoy kosa izy tamin'ilay nanasa azy: Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. 13 Fa raha manao fanasana hianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: 14 dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina vao hovaliana hianao.