Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-14

25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesoa, ka nitodika izy nanao tamin'ireo hoe:

26 Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin'ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. 27 Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho mpianatro. 28 Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay holaniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia,

29 sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain'izay rehetra mahita hoe: 30 Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona. 31 Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin'ny miaramila iray alina ny hikatroka amin'ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? 32 Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. 33 Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905