Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-15
1 Ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota,2 ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy. 3 Dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo Jesoa hoe: 4 Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, 6 ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very. 7 Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. 8 Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy?
9 Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.