Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-15

25 Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin'izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin'ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy,

26 ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton'izany. 27 Dia hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak'omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy. 28 Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. 29 Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak'osy iray akory hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak'omby matavy izy. 31 Fa hoy rainy taminy: Hianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; 32 fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1172