Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-15

1 Ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota,

2 ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy. 3 Dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo Jesoa hoe: 11 Hoy koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy,

12 ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy roa lahy ny fananany. 13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin'ny fitondran-tena ratsy. 14 Rahefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin'izany tany izany ka nahantra izy. 15 Dia lasa ny anao nikarama tamin'ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. 16 naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin'ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. 17 Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: Firifiry akory moa ny mpikaraman'i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana atý!

18 Hitsangana aho ho any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho, 19 ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin'ny mpikaramanao re aho. 20 Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21 Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony. 22 Fa hoy rainy tamin'ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tànany, kiraroy ny tongony, 23 ary ento ny zanak'omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, 24 fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra. 25 Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin'izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin'ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy,

26 ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton'izany. 27 Dia hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak'omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy. 28 Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. 29 Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak'osy iray akory hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak'omby matavy izy. 31 Fa hoy rainy taminy: Hianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; 32 fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3745