Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-16
1 Ary hoy koa Jesoa tamin'ny mpianany: Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain'ny olona taminy fa nandany ny fananany.2 Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: Ahoana izany fandrenesako izany anao? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin'ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony hianao. 3 Tamin'izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: Inona re no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. 4 Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin'ny raharahako aho. 5 Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony, ka hoy izy tamin'ny voalohany: Ananan'ny tompoko hoatrinona hianao? 6 Diloilo injaton'ny barika, hoy io. Dia hoy ny mpitandrina taminy: Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimam-polo. 7 Dia hoy indray izy tamin'ny anankiray: Hoatrinona kosa ny trosa aminao? Vary injaton'ny famarana, hoy izy. Dia hoy ilay mpitandrina: Raiso ny taratasinao ka soraty valopolo. 8 Noderain'ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana.
