Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-16

19 Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan'andro.

20 Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandòtra teo am-bavahadiny. 21 Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin'ny latabatr'ilay mpanan-karena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. 22 Ary maty ilay mahantra ka nentin'ny anjely tany an-tratran'i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina. 23 Tao amin'ny fitoeran'ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra eny Abrahama sy Lazara teo an-tratrany, 24 ka niantso izy nanao hoe: Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin'ity lelafo ity. 25 Fa hoy Abrahama taminy: Anaka, tsarovy fa tamin'ny andro niainanao hianao moa nahita soa, ary Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. 26 Sady amin'ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala atý hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka mampita atý. 27 Dia hoy izy: Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely Lazara ho any an-tranon-draiko 28 (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy marina, fandrao tonga amin'itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an'ireo izy. 30 Fa hoy izy: Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin'ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.115