Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-16

9 Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.

10 Izay mahatoky amin'ny kely, dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. 11 Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? 12 Ary raha tsy mahatoky amin'izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo? 13 Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena hianareo. 14 Ny Farisiana izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso azy.

15 Fa hoy izy tamin'izy ireo: Hianareo dia mpanamarin-tena eo imason'ny olona, nefa fantatr'Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason'ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra kosa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1334