Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-17

1 Ary hoy indray Jesoa tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an'izay ihaviany!

2 Aleo anantonana vato fikosohan-dafarina ny vozony ka alentika any anatin'ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin'ireto madinika ireto aza. 3 Koa mitandrema hianareo. Raha diso aminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. 4 Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy. 5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.

6 Fa hoy ny Tompo: Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: Miongòta, ka mifindrà any anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. 7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: Metia faingana, ary mipetraha hihinana. 8 Moa tsy izao aza no holazainy aminy: Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro hianao? 9 Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? 10 Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa hianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay. 11 Nony nandeha ho any Jerosalema Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy Galilea.

12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra eny. 13 Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay. 14 Vantany vao nahita azy ireo izy dia nanao hoe: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. 16 Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra azy; ary Samaritana izy io. 17 Dia niteny Jesoa ka nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? 18 Ny vahiny indray ity no hàny niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra? 19 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao. 20 Ary nanontanian'ny Farisiana izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra izy ka namaly hoe: Tsy mba manetriketrika fihavy ny fanjakan'Andriamanitra,

21 ary tsy hataon'ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Dia hoy koa izy tamin'ny mpianany: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, fa tsy hahita hianareo. 23 Hilazan'ny olona hianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany hianareo, na manaraka izany akory. 24 Fa tahaka ny fanjelatry ny helabaratra miserana ny faravodilanitra hatramin'ny lafiny iray ka hatrany amin'ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fihavin'ny Zanak'olona amin'ny androny. 25 Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha izy, sy holavin'ity taranaka ity. 26 Ary toy ny niseho tamin'ny andron'i Noe no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:

27 nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Noe tao amin'ny sambo fiara, dia tonga ny safo-drano ka nandringana azy rehetra. 28 Ary koa tahaka ny tamin'ny andron'i Lota: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; 29 fa tamin'ny andro nivoahan'i Lota tao Sodoma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. 30 Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona. 31 Amin'izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny entany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.

32 Tsarovy ny vadin'i Lota! 33 Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy. 34 Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany, amin'ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela; 35 amin'ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin'ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela. 36 Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Ho aiza Tompoko? 37 Ary hoy izy taminy: Amin'izay hitoeran'ny faty no hiangonan'ny voromahery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0989