Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-17

1 Ary hoy indray Jesoa tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an'izay ihaviany!

2 Aleo anantonana vato fikosohan-dafarina ny vozony ka alentika any anatin'ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin'ireto madinika ireto aza. 3 Koa mitandrema hianareo. Raha diso aminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. 4 Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy. 5 Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.

6 Fa hoy ny Tompo: Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray hianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: Miongòta, ka mifindrà any anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842