Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-17

11 Nony nandeha ho any Jerosalema Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy Galilea.

12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra eny. 13 Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay. 14 Vantany vao nahita azy ireo izy dia nanao hoe: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. 16 Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra azy; ary Samaritana izy io. 17 Dia niteny Jesoa ka nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? 18 Ny vahiny indray ity no hàny niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra? 19 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412