Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-17

20 Ary nanontanian'ny Farisiana izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra izy ka namaly hoe: Tsy mba manetriketrika fihavy ny fanjakan'Andriamanitra,

21 ary tsy hataon'ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Dia hoy koa izy tamin'ny mpianany: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, fa tsy hahita hianareo. 23 Hilazan'ny olona hianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany hianareo, na manaraka izany akory. 24 Fa tahaka ny fanjelatry ny helabaratra miserana ny faravodilanitra hatramin'ny lafiny iray ka hatrany amin'ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fihavin'ny Zanak'olona amin'ny androny. 25 Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha izy, sy holavin'ity taranaka ity.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1189