Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-17
7
Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: Metia faingana, ary mipetraha hihinana.
8
Moa tsy izao aza no holazainy aminy: Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro hianao?
9
Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io?
10
Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa hianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2024 - page load 0.0426