Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 18. 1-8
Ilay mpitondratena nanao lemozy tamin'ny mpitsara - Ny Farisiana sy ny poblikàna - Ny zazakely - Ilay mpanan-karena tsy nanaraka an'i Jeso - Ny nilazan'i Jeso ny fijaliany - Ilay jamba tao Jerikao.

       1 Ary nanao fanoharana tamin'izy ireo koa izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. 2 Hoy izy: Tany amin'ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an'Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. 3 Ary tao amin'izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay miady amiko; 4 fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin'ny farany dia hoy izy anankampo: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, 5 dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy. 6 Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain'ilay mpitsara tsy marina, 7 ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary tsy halaky hamonjy azy? 8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak'olona, moa mba hahita finoana etý ambonin'ny tany izy?