Toko faha-18
10
Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly: Farisiana ny iray ary poblikàna ny anankiray.
11
Nitsangana ilay Farisiana ka nivavaka tao am-pony hoe: Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikàna itsy akory aza;
12
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny am-pahafolon'ny fananako rehetra.
13
Fa ilay poblikàna kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.
14
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.