Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-18

18 Ary nisy lehibe anankiray nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazahoako ny fiainana mandrakizay?

19 Dia hoy Jesoa taminy: Ahoana àry no iantsoanao ahy hoe: tsara? tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono; aza mijangajanga; aza mangalatra; aza miampanga lainga; manajà ny rainao aman-dreninao. 21 Dia hoy izy: Efa nitandrina izany rehetra izany hatry ny fony kely aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0481