Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 18. 18-21
18 Ary nisy lehibe anankiray nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazahoako ny fiainana mandrakizay? 19 Dia hoy Jeso taminy: Ahoana àry no iantsoanao ahy hoe: tsara? tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono; aza mijangajanga; aza mangalatra; aza miampanga lainga; manajà ny rainao aman-dreninao. 21 Dia hoy izy: Efa nitandrina izany rehetra izany hatry ny fony kely aho.