Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 18. 18-27

       18 Ary nisy lehibe anankiray nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazahoako ny fiainana mandrakizay? 19 Dia hoy Jeso taminy: Ahoana àry no iantsoanao ahy hoe: tsara? tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono; aza mijangajanga; aza mangalatra; aza miampanga lainga; manajà ny rainao aman-dreninao. 21 Dia hoy izy: Efa nitandrina izany rehetra izany hatry ny fony kely aho. 22 Nony nandre izany Jeso, dia nanao taminy hoe: Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary avia hanaraka ahy. 23 Fa nony nandre izany teny izany izy, dia nanjonitra, satria mpanan-karen-doatra izy.
       24 Koa hoy Jeso nony nahita azy nalahelo: Akory ity hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Fa moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Dia hoy izay nihaino hoe: Iza àry no ho voavonjy? 27 Ka hoy ny navaliny: Izay tsy azon'ny olona atao, dia azon'Andriamanitra atao.