Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-18

35 Nony mby tao akaikin'i Jerikao izy, dia nisy kosa jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dàlana.

36 Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy dia nanontany hoe inona izany? 37 ka nilazana fa Jesoa avy any Nazareta no nandalo. 38 Dia niantso izy nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'i Davida ô! mamindrà fo amiko. 39 Noraran'izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo amiko e! 40 Dia nijanona Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: 41 Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Mba hahiratra aho, Tompoko. 42 Dia hoy Jesoa taminy: Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao. 43 Niaraka tamin'izay, dia nahiratra izy ka nanaraka azy sy nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365