Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Lioka toko 19. 1-10
Jeso tao amin'i Zake - Ny fanoharana ny amin'ny mina folo - Ny niakaran'i Jeso tany Jerosalema - Ny nitomaniany an'i Jerosalema - Ny nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly.
1 Nony niditra tao Jerikao Jeso, dia namaky ny tanàna. 2 Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake, lehiben'ny poblikàna sady mpanan-karena, 3 nitady hahita an'i Jeso mba hahalala azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona satria fohy izy. 4 Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany. 5 Nony mby teo Jeso dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. 6 Dia nidina haingana izy ka nandray azy tamin-kafaliana.
7 Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota izy. 8 Fa Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy. 9 Dia hoy Jeso taminy: Tonga amin'ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa ity lehilahy ity, 10 fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona.