Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-19

28 Rahefa niteny izany Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema,

29 ka nony mby akaikin'i Betfage sy Betania anilan'ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka ny mpianany roa lahy, 30 nanao hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra aloha itsy, fa rahefa miditra ao hianareo dia hahita zanak'ampondra mifatotra tsy mbola nitaingenan'olona, ka vahao izy, dia ento atý. 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana io no vahanareo? valio hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy. 32 Dia lasa ireo iraka ka nahita ny zavatra araka ny voalazan'i Jesoa taminy. 33 Teo am-pamahana ny zanak'ampondra dia hoy ny tompony tamin'izy ireo: Nahoana no vahanareo ity zanak'ampondra? 34 Ka novaliany hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy. 35 Dia nentiny tany amin'i Jesoa ny zanak'ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia natainginy teo Jesoa. 36 Nony nandroso izy, dia novelaran'ny olona ny fitafiany ny làlana. 37 Ary rahefa mby akaikin'ny fidinana amin'ny tendrombohitra Oliva izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany. 38 Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin'ny anaran'ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin'ny avo indrindra! 39 Ary ny Farisiana sasany izay teo amin'ny vahoaka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, rarao re ny mpianatrao! 40 Fa novaliany hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso ny vato.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.051