Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-19
1 Nony niditra tao Jerikao Jesoa, dia namaky ny tanàna.2 Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake, lehiben'ny poblikàna sady mpanan-karena, 3 nitady hahita an'i Jesoa mba hahalala azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan'ny olona satria fohy izy. 4 Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana azy, fa eo no handalovany. 5 Nony mby teo Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: Ry Zake, midìna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao aho anio. 6 Dia nidina haingana izy ka nandray azy tamin-kafaliana. 7 Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: Lasa niditra any an-tranon'ny mpanota izy.
8 Fa Zake kosa nijoro nanao tamin'ny Tompo hoe: Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr'olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy. 9 Dia hoy Jesoa taminy: Tonga amin'ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak'i Abrahama koa ity lehilahy ity, 10 fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona.