Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-19

41 Ary nony mby akaiky izy ka nahita an'i Jerosalema dia nitomany azy nanao hoe:

42 Raha izay kosa mantsy hianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. 43 Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany hianao sy hotereny hatraiza hatraiza, 44 ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0552