Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-19

45 Nony niditra tao an-tempoly izy, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,

46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa hianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra. 47 Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty azy; 48 nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino azy ny vahoaka rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758