Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko voalohany
1 Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran'ny zavatra inoana tokoa amintsika2 sy noraisintsika tamin'ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin'ny voalohany, 3 dia nataoko fa mety koa, rahefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teofily manan-kaja, 4 mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.