Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

1 Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran'ny zavatra inoana tokoa amintsika

2 sy noraisintsika tamin'ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin'ny voalohany, 3 dia nataoko fa mety koa, rahefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teofily manan-kaja, 4 mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.

Toko faha-4

14 Tamin'izay Jesoa, dia nentin'ny herin'ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.

15 Nampianatra tao amin'ny sinagogan'izy ireo izy, ka nankalazain'izy rehetra. 16 Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe azy izy, dia niditra tao amin'ny sinagoga araka ny fanaony tamin'ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.

17 Natolotra azy ny bokin'Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: 18 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, 19 hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana. 20 Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin'ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifàntaka tany aminy avokoa ny mason'izy rehetra tao amin'ny sinagoga. 21 Dia rafitra niteny taminy indray Jesoa nanao hoe: Androany no efa tanteraka eo amin'ny sofinareo izany Soratra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081