Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

39 Niainga Maria tamin'izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,

40 ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta, 42 ka nanandra-peo niantso mafy hoe: Nosoavina noho ny vehivavy rehetra hianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. 43 Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? 44 Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tao an-kiboko. 45 Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017