Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

46 Ary hoy Maria: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, 47 ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, 48 fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, 49 satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, 50 sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. 51 Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony;

52 naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53 ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra tànam-polo. 54 Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Elizabeta Maria vao nody tany an-tranony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152