Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

5 Tamin'ny andron'i Heroda mpanjakan'i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan'ny fianakavian'i AbiĆ , ary ny vadiny dia taranak'i Aarona sy natao hoe Elizabeta.

6 Samy marina teo imason'Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin'ny didy sy ny tenin'ny Tompo rehetra. 7 Tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta, ary efa samy zokiolona izy mivady. 8 Indray andro, nony nanao ny raharahan'ny mpisorona teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny anjaran'ny antokony,

9 dia voatendrin'ny loka araka ny fanaon'ny mpisorona hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo, hanolotra ny emboka, 10 ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin'ny ora fanolorana ny emboka. 11 Fa nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy, nitsangana teo an-kavanan'ny otely fanolorana ny emboka. 12 Taitra Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra. 13 Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joany no hataonao anarany: 14 dia ho faly sy ho ravo hianao, ary maro koa no ho faly amin'ny hahaterahany. 15 Fa ho lehibe eo imason'ny Tompo izy: tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy, sady ho fenon'ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny; 16 maro amin'ny zanak'Israely no hampodiny amin'ny Tompo Andriamanitra, 17 dia hialoha azy amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia izy hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an'ny Tompo. 18 Dia hoy Zakaria tamin'ny anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko.

19 Namaly ny anjely nanao taminy hoe: Izaho no Gabriely, ilay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra, ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao izany teny mahafaly izany; 20 fa indro, ho moana hianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'izany, noho hianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoan'androny. 21 Niandry an'i Zakaria anefa ny olona ka gaga noho izy naharitra ela tao anatin'ny tempoly; 22 kanjo nony nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy, ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin'ny tempoly izy: dia baikon'ny moana no nitenenany taminy, fa moana tokoa izy. 23 Ary nony tapitra ny anjara androny amin'ny raharahany, dia nody tany an-tranony izy.

24 Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, ary niery dimy volana ka nanao hoe: 25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko, tamin'ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin'ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1912