Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy, ka naminany hoe:

68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'Israely, noho izy namangy sy nanavotra ny olony,

69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, 70 araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina hatramin'ny andro tany aloha, 71 mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika. 72 He izany nanaovany famindra-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika 74 fahafahana amin'ny tànan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika azy tsy aman-tahotra, 75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary hianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo hianao hamboatra ny halehany,

77 mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony: 78 Noho ny halehiben'ny famindra-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,

79 mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny làlam-piadanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333