Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-2
36 Ary nisy koa mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanak'i Fanoela fokon'i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian'ny nahavirjiny azy,37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin'ny tempoly, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tamin'ny fifadian-kanina sy fivavahana. 38 Tonga koa izy tamin'izany fotoana izany, ka nidera an'Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana an'i Jerosalema. 39 Ary nony tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn'ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
40 Ary nitombo sy nihatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.
