Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-2

1 Tamin'izany andro izany dia namoaka didy Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra:

2 dia fony Sirinosy no governoran'i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. 3 Dia samy nankany amin'ny tanàna nihaviany avy izy rehetra mba hosoratana. 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy, 5 mba hosoratana izy sy Maria vadiny izay bevohoka. 6 Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria, 7 ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny. 8 Ary tamin'izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina.

9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr'Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. 10 Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra hianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamba-jaza, sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona hianareo. 13 Ary niaraka tamin'izay nisy antokon'ny tafika any an-danitra tonga teo amin'ilay anjely, ka nidera an'Andriamanitra, nanao hoe: 14 Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1517