Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 2, 15-20

       <15Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany. 16Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy Josefa ary ny Zaza kely mandry amin'ny fihinanam-bilona; 17ary rahefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; 19fa Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. 20Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. >