Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-20

27 Dia nanatona koa ny sasany tamin'ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty, ka nanontany azy hoe:

28 Ry Mpampianatra ô, Moizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. 29 Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, fa maty momba. 30 Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. 31 Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. 32 Farany, dia maty koa ravehivavy. 33 Koa ho vadin'iza ravehivavy raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito lahy? 34 Dia hoy Jesoa taminy: Ny zanak'izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; 35 fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, 36 ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. 37 Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran'i Moizy teo amin'ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin'io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 38 Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1048