Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 21, 29-33
<29Ary izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: 30raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. 31Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 32Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 33Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona. >