Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

1 Ary nanopy ny masony Jesoa ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin'ny fandatsahan-drakitra.

2 Dia nahita mpitondratena mahantra anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa izy, 3 ka nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; 4 satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an'Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin'ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany. 5 Ary nisy nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy, fa hoy Jesoa:

6 Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. 7 Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany? 8 Ka hoy Jesoa hoe: Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy. 9 Ary raha mandre ady sy fikomiana hianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin'izay akory ny farany. 10 Dia hoy koa izy tamin'izy ireo: Hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana; 11 hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin'ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. 12 Fa alohan'izany rehetra izany hianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin'ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anarako.

13 Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo. 14 Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; 15 fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon'ny fahavalonareo toherina na lavina velively. 16 Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin'ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, 17 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; 18 nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. 19 Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo. 20 Ary rahefa hitanareo voahodidin'ny miaramila Jerosalema, dia fantaro amin'izany fa efa antomotra ny fandravana azy, 21 ka amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, 22 satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan'izay rehetra voasoratra. 23 Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran'Andriamanitra amin'ity firenena ity: 24 haringana amin'ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin'ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin'ny jentily Jerosalema mandra-pahafenon'ny andron'ny jentily. 25 Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;

26 ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an'izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin'ny lanitra. 27 Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy any ambonin'ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. 28 Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo. 29 Ary izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: 30 raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. 31 Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 33 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona. 34 Tandremo àry fandrao vesaran'ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!

35 Fa ho sahala amin'ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin'ny tany izany. 36 Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany hianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan'ny Zanak'olona. 37 Tamin'ny antoandro no nampianatra tao an-tempoly Jesoa, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin'ny tendrombohitra Oliva.

38 Ary vao marainakoa dia nanatona azy tao an-tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1027