Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

1 Ary nanopy ny masony Jesoa ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin'ny fandatsahan-drakitra.

2 Dia nahita mpitondratena mahantra anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa izy, 3 ka nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; 4 satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an'Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin'ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1232