Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

12 Fa alohan'izany rehetra izany hianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin'ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anarako.

13 Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo. 14 Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; 15 fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon'ny fahavalonareo toherina na lavina velively. 16 Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin'ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, 17 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; 18 nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. 19 Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0684