Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

25 Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;

26 ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an'izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin'ny lanitra. 27 Dia ho hita amin'izay ny Zanak'olona avy any ambonin'ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. 28 Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo. 34 Tandremo àry fandrao vesaran'ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!

35 Fa ho sahala amin'ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin'ny tany izany. 36 Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany hianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan'ny Zanak'olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1428