Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

29 Ary izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: 30 raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. 31 Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. 32 Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan'izany rehetra izany. 33 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086