Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-21

5 Ary nisy nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy, fa hoy Jesoa:

6 Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. 7 Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany? 8 Ka hoy Jesoa hoe: Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy. 9 Ary raha mandre ady sy fikomiana hianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin'izay akory ny farany. 10 Dia hoy koa izy tamin'izy ireo: Hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana; 11 hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin'ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. 12 Fa alohan'izany rehetra izany hianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin'ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anarako.

13 Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo. 14 Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; 15 fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon'ny fahavalonareo toherina na lavina velively. 16 Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin'ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, 17 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; 18 nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. 19 Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1612