Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-23

35 Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa azy nanao hoe: Namonjy ny sasany izy ka aoka hamonjy ny tenany, raha izy no Kristin'Andriamanitra, ilay voafidy. 36 Ny miaramila koa naneso azy ka nanatona nanolotra vinaingitra azy, 37 ary nanao hoe: Raha hianao no mpanjakan'ny Jody, vonjeo ny tenanao. 38 Teo ambonin'ny lohany koa dia nisy soratra tamin'ny teny greka sy latina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JODY.

39 Ary ny anankiray tamin'ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva azy nanao hoe: Raha hianao no Kristy, vonjeo ny tenanao sy izahay. 40 Fa nanarin'ilay anankiray izy, nataony hoe: Ialahy koa ve tsy matahotra an'Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? 41 Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika; fa ny azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona izy. 42 Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, tsarovy aho rahefa mby any amin'ny fanjakanao hianao. 43 Ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368