Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-24

1 Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo nitondra ny zava-manitra efa namboariny,

2 ary hitany fa efa voakodia lavidavitry ny fasana ny vato, 3 ka niditra izy ireo, fa tsy nahita ny fatin'i Jesoa Tompo. 4 Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra. 5 Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan'iretsy hoe: Nahoana no atý amin'ny maty no itadiavanareo izay velona? 6 Tsy eto izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny nolazainy taminareo fony izy mbola tany Galilea, hoe: 7 Tsy maintsy hatolotra ao an-tànan'ny mpanota ny Zanak'olona sy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana, ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8 Izay vao tsaroany ny tenin'i Jesoa, 9 ka tafaverina avy tany amin'ny fasana izy ireo dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra: 10 dia Maria Madelena sy Joana ary Maria renin'i Jakoba izany, ary ny vehivavy hafa niaraka taminy koa dia samy nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Fa nataony ho arirarira foana ny tenin'izy ireo ka tsy ninoany. 12 Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin'ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hany hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.068