Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-24

35 Dia mba notantarain'izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny nahafantarany azy tamin'ny famakiana ny mofo. 36 Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany Jesoa ka nanao taminy hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa izaho ihany.

37 Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. 38 Ka hoy izy taminy: Nahoana no mitebiteby hianareo, ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo? 39 Zahao ny tànako sy ny tongotro, fa izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo ahy izao. 40 Ary rahefa nilaza izany izy, dia nasehony azy ny tànany, sy ny tongony. 41 Ary ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy Jesoa taminy: Moa manan-kanina eto va hianareo? 42 Dia notoloran'izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely izy, 43 ka noraisiny dia nohaniny teo imason'izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. 44 Dia hoy izy tamin'izy ireo: Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba ahy ao amin'ny Lalàn'i Moizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.

45 Dia nosokafany ny sain'izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, 46 ka hoy izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly ny Kristy sy hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo, 47 ary tsy maintsy torìna amin'ny firenen-drehetra, miantomboka amin'i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny anarany. 48 Hianareo no vavolombelon'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1518