Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-2

15 Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany.

16 Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy Josefa ary ny Zaza kely mandry amin'ny fihinanam-bilona; 17 ary rahefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; 19 fa Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0637