Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-2

22 Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn'i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin'ny Tompo,

23 araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an'ny Tompo, 24 ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voalaza ao amin'ny Lalàn'ny Tompo. 25 Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an'Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina,

26 sady efa nanambaran'ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Dia nentin'ny Fanahy Masina izy hankao amin'ny tempoly, ka nony nitondra an'i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin'ny Lalàna ny aminy, 28 dia nitrotro azy izy ka nisaotra an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, 30 fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, 31 izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 dia fahazavana hanilo ny jentily sady voninahitr'Israely olonao. 33 Dia gaga ny ray aman-drenin'ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy.

34 Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin'i Maria renin'ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin'Israely ary ho famantarana hotoerina, 35 -ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra - mba hiseho ny hevitry ny fo maro. 36 Ary nisy koa mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanak'i Fanoela fokon'i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian'ny nahavirjiny azy,

37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin'ny tempoly, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tamin'ny fifadian-kanina sy fivavahana. 38 Tonga koa izy tamin'izany fotoana izany, ka nidera an'Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana an'i Jerosalema. 39 Ary nony tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn'ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.

40 Ary nitombo sy nihatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1069