Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-2

41 Ary isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin'ny andro fetin'ny Paka;

42 ka nony efa roa ambin'ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin'izany fety izany izy ireo, 43 ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. 44 nataon'izy ireo ho niaraka tamin'ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany; 45 ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy. 46 Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin'ny tempoly izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy,

47 ary talanjona izay rehetra nandre azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. 48 Ary nony nahita azy izy ireo dia gaga, ary hoy reniny taminy: Anaka, nahoana hianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady anao. 49 Fa hoy izy taminy: Nahoana no nitady ahy hianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin'ny Raiko aho? 50 Faingy tsy azon'izy ireo ny teny nolazainy taminy. 51 Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta izy, ary dia nanaiky azy; fa reniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. 52 Ary Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0264