Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-3

15 Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa Joany angaha no Kristy,

16 dia niteny Joany ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho: izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 21 Tamin'ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa Jesoa, ka raha mbola nivavaka izy dia nisokatra ny lanitra;

22 ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an'ny voromailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0425