Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 3, 10-14
<10Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: Inona àry no hataonay? 11Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.
       12Ary nisy poblikàna nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: Inona no hataonay, ry mpampianatra ô? 13Dia hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo. 14Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay? Dia hoy ny navaliny azy: Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin'izay karamanareo. >