Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-3

1 Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folon'ny nanjakan'i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea, Heroda no tetrarka tany Galilea, Filipo rahalahiny no tetrarka tany Abilena,

2 ary Ana sy Kaifa no lehiben'ny mpisorona, dia tonga tamin'i Joany zanak'i Zakaria tany an'efitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Dia nankany amin'ny tany rehetra amoron'i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, 4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Izaia mpaminany hoe: Re ny feon'ilay miantso any an'efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny halehany; 5 ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina, 6 dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0514