Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-3

10 Ary hoy ny vahoaka nanontany azy: Inona àry no hataonay? 11 Dia namaly izy ka nanao hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa. 12 Ary nisy poblikàna nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?

13 Dia hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina halainareo. 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay? Dia hoy ny navaliny azy: Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin'izay karamanareo. 15 Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa Joany angaha no Kristy,

16 dia niteny Joany ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho: izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 17 eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin'ny afo tsy mety maty. 18 Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin'ny olona;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1297